SlideShare uma empresa Scribd logo
1 de 25
Baixar para ler offline
FAHAVETAVETANA,
ARETI-MANDRINGANA,
LOZA ARY NY
KAPOAKY NY
FAHATEZERAN’
ANDRIAMANITRA
Fahavetavetana, areti-
mandringana sy loza ary
ny Kapoaky ny
Fahatezeran’
Andriamanitra
FAMARITANA:
Ny teny hoe “fahavetavetana”
dia miverina in-117 ao amin’ny
Baiboly. Raha faritana ny teny
hoe “fahavetavetana” dia
entina milaza fomba fanao tsy
mifanaraka amin’ny
sitrapon’Andriamanitra, ary tsy
tokony ho hita ety ambany
masoandro akory.
Ohatra amin’izany ny
fihinanana biby sy hena maloto
(Lev.11, Deot 14:3, Asa 15:20),
ny fanompoan-tsampy (Deot.
7:25), ny lainga (Oha. 11:1), ny
hevi-dratsy (Oha. 15:26) , ny
fiavonavonana (Oha. 16:5), ny
fitafy tsy sahaza (Deot. 22:5) ,
ny fanamarinana ny meloka na
ny fanamelohana ny marina
(Ezek. 18:24), ny fijangajangana
(Lev. 19:29), sy ny fanaovana
izay rehetra tsy araky ny
sitrapon’Andriamanitra eo
amin’ny fifandraisan’ny olona
(Oha. 6, Lev. 18).
Ny Lev.18 dia milaza karazana
fahavetavetana maro eo
amin’ny fifandraisan’ny olona
amin’ny manodidina azy, ary
voararan’i Jehovah izany
rehetra izany, satria tena
fahavetaveana ary izany
karazana fanambadiana izany
dia tsy mampisy hasina ny
fanambadiana.
Halan’i Jehovah ny
fahavetavetana; ary firenena
maro no efa naringany noho
ny fahavetavetan’ny mponina
ao aminy. Ny Bokin'ny
Mpanjaka sy ny Tantara dia
milaza ny nandringanana ireo
firenena manao
fahavetavetana.
 1 Mpanjaka 14:24
(fahavetavetana sy
fijangajangana amin’ny
ankapobeny);
 2 Mpanjaka 16: 3
(fahafoizan-jaza);
 2 Mpanjaka 21: 2 sy 2
Mpanjaka 21:11 (fanompoan-
tsampy);
 2 Tan. 28: 3 (fahafoizan-jaza);
 2 Tan. 33: 2 (fanompoan-
tsampy);
 2 Tan. 34:33, 36: 8, ary 36:14
(ankapobeny). (Ezra 9: 1, 9:11,
ary 9:14)
Amin'izany toe-javatra rehetra
izany, ny “fahavetavetana” dia
manondro fitondrantena sy
fomba mamoafady vahiny, izay
nataon'ny Isiraely sy ny
mpanjaka israelita, ka
mahameloka azy ireo eo
imason’i Jehovah sy ny tany
aman-danitra.
Ary toy izany koa, ny teny hoe
“fahavetavetana” dia entina
hilazana ny fanompoan-
tsampy (Ezek. 5:11, 6: 9, 6:11,
7:20, 14: 6, 20: 7-8, 22 : 2, 44: 6-
7, 44:13), fanamparan-kery
(Ezek. 18:13), fanandratan-tena
sy avonavona (Ezek. 16: 47-50;
ny "Fahotan'i Sodoma") , ny
fanitsakitsaham-bady (Hebreo
22:11, 33:26), ary ny herisetra
(Ezek. 33:26), ary koa fehezan-
teny ankapobeny momba ny
fanaon'ny olona hafa firenena
(Ezek. 16:51) na fandikan-
dalàna ( Ezek. 5: 9, 7: 3-4, 7: 8-
9, 9: 4, 11:18, 11:21, 12:16, 16:
2, 16:43, 18:24, 20: 4, 33:29,
36:31).
Ezekiela koa dia nilaza fa
fahavetavetana ny fanompoan-
tsampy sy "fijangajangana"
(Ezek 16:22, 16:36, 16:58, 23:26,
43: 8).
FAHAVETAVETANA
NY FIFANAMBADIAN’NY
OLONA MITOVY
FANANAHANA
.Amin’izao vanim-potoana izao
dia maro no
mirona amin’ny firaisana sy
fanambadian’ny olona mitovy
fananahana. Ary dia miezaka
mihitsy izy ireo olona izay atao
hoe sarimbavy sy sarindahy,
lesbiana, gay, ary ny toa azy
ireny, mivondrona ho amin’ny
fikambanana iray, miady ny
zony sy fahafahany haneho
malalaka izany fihetsika sy
fomba “sodomita” izany.
Nefa kosa, eo anivon’ny
fiaraha-monina mandala ny
fomba nentim-paharazana sy
matahotra an’Andriamanitra,
dia hita miharihary fa fomba
mamoafady ary tena tsy
fampiseho masoandro mihitsy
ny firaisana na ny
fifanambadian’ny lahy sy ny
lahy, sy ny firaisana na
fifanambadian’ny vehivavy
amin’ny vehivavy.
Fahavetavetana eo imason’i
Jehovah Andriamanitra izany.
Ny LEVITIKOSY 18 dia
mampiseho ireo karazana
fahavetavetana sy fomba
mamoafady isankarazany, izay
tsy tokony hatao na oviana na
oviana mba hahamasinana ny
fanambadiana. Anisan’ireny
fahavetavetana eo imason’i
Jehovah ny fandrian'ny lehilahy
amin'ny lehilahy, ary koa ny
fandrian’ny vehivavy amin'ny
vehivavy. Izao no voalazan’ny
Baiboly:
« Aza mandry amin'ny
lehilahy tahaka ny fandry
amin'ny vehivavy; fa
fahavetavetana
izany. » (Levitikosy 18:22)
Firenena masina ho an’i
Jehovah ny zanak’Isiraely, ary
isika ankehitriny koa, izay
zanak’Isiraely ara-panahy, sady
zanak’Andriamanitra koa, dia
nomena izany toromarika
izany, mba tsy hanao izay
rehetra atao hoe
fahavetavetana eo imason’i
Jehovah, mba tsy
handringanany sy
hamongorany azy:
Mazava tsara ny Levitikosy 18:
26-30:
« Fa mitandrema ny didiko sy
ny fitsipiko ianareo, ka aza misy
ataonareo izany
fahavetavetana izany, na ny
tompon-tany, na ny vahiny eo
aminareo » (Levitikosy
18:26)« (fa izany
fahavetavetana rehetra izany
no nataon'ny tompon-tany izay
talohanareo, ka dia naloto ny
tany), » (Levitikosy 18:27)« mba
tsy handotoanareo ny tany ka
tsy handoavany anareo, tahaka
ny nandoavany ny firenena izay
talohanareo. » (Levitikosy
18:28)« Fa izay rehetra manao
izany fahavetavetana izany na
dia iray aza dia hofongorana
tsy ho amin'ny fireneny. »
(Levitikosy 18:29)« Koa dia
tandremo izay asaiko
tandremana, mba tsy hisy
hataonareo akory izany fanao
vetaveta izany, izay nataon'ny
olona talohanareo, ka aza
mandoto ny tenanareo
amin'izany: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo. » (Levitikosy
18:30)
Mbola naverin’i Jehovah indray
ny lalàna momba ny
fitondrantena sy fanambadiana
ao amin’ny Levitikosy 20, ary
anisan’ny nohamafisiny ny
FANDRARANA ny firaisana ara-
nofo eo amin’ny samy lehilahy.
Ary toy izao koa ny voalazan’i
Joda:
« Ary ny anjely izay tsy nitana
ny anjara-fanapahany, fa
nandao ny fonenany, dia
voahazony amin'ny fatorana
mandrakizay ao amin'ny
maizina ho amin'ny andro
fitsarana lehibe. » (Joda 6)
« Ary toy izany koa, Sodoma sy
Gomora mbamin'ny tanàna
nanodidina azy, izay
nijangajanga tahaka azy koa
ka lasa nanaraka nofo hafa, dia
aseho ho fananarana amin'ny
iaretany fijaliana amin'ny afo
maharitra mandrakizay. »
(Joda 7)
JEHOVAH DIA HAMELY
NY TSY MARINA
AMIN’NY ARETI-
MANDRINGANA SY
LOZA
« Dia hoy Jehovah tamin'i
Mosesy: Mandra-pahoviana no
hamotsifotsian'ity firenena ity
Ahy? ary mandra-pahoviana no
tsy hinoany Ahy noho ny
famantarana rehetra izay
nataoko teo aminy? » (Nomery
14:11)
« Hamely azy amin'ny areti-
mandringana Aho ka
hamongotra azy, fa hanao
anao ho firenena lehibe sy
mahery noho izy kosa. »
Deoteronomia 28:1-14 dia
miresaka momba ny fitahiana
homena ireo mitandrina ny
didin’Andriamanitra sy ny
lalàna. Nefa, manomboka
amin’ny andininy 15,
Deoteronomia dia mitanisa ny
ozona handringana izay
rehetra tsy mitandrina ny
didin’i Jehovah fa mandika
lalàna.
« Fa raha tsy mihaino ny feon'i
Jehovah Andriamanitrao kosa
ianao ka tsy mitandrina
hanaraka ny didiny rehetra sy
ny lalàny, izay andidiako anao
anio, dia ho tonga aminao sy
hahatratra anao izao
fanozonana rehetra izao : »
(Deotoronomia 28:15)
« Hampandehanin'i Jehovah
aminao ny ozona, dia horohoro
sy fampitahorana amin'izay
rehetra ataon'ny tananao,
mandra-paharinganao sy
mandra-pahalaninao faingana
noho ny faharatsian'ny
nataonao tamin'ny
nahafoizanao Ahy. »
(Deotoronomia 28:20)
« Hampiraiketin'i Jehovah
aminao ny areti-mandringana,
mandra-pandaniny anao tsy ho
eo amin'ny tany izay efa
hidiranao holovana. »
(Deotoronomia 28:21)
« Raha tsy tandremanao ny
hanaraka ny teny rehetra
amin'ity lalàna ity, izay
voasoratra eto amin'ity boky
ity, hatahoranao izao anarana
efa nankalazaina sady
mahatahotra izao hœ:
JEHOVAH ANDRIAMANITRAO, »
(Deotoronomia 28:58)
« dia hataon'i Jehovah
mahagaga ny kapoka hataony
aminao sy ny zanakao, dia
kapoka mafy sady maharitra
ela ary faharariana mafy sady
maharitra ela. » (Deotoronomia
28:59) « Dia haveriny aminao
indray ny aretin'i
Egypta rehetra, izay
natahoranao ka
hiraikitra aminao
ireny. »
(Deotoronomia 28:60)
« Ary ny faharariana
rehetra sy ny kapoka rehetra
koa, izay tsy voasoratra
amin'ny bokin'ity lalàna ity aza,
dia ho entin'i Jehovah mamely
anao mandra-paharinganao. »
(Deotoronomia 28:61)
« Ary olona
vitsy no ho
sisa aminareo
hisolo izao
fahamaroanar
eo toy ny
kintana eny
amin'ny lanitra izao, satria tsy
nihaino ny feon'i Jehovah
Andriamanitrao ianao. »
(Deotoronomia 28:62)
HAIDINA AMIN’NY
TANY NY LOVIA FENO
NY FAHATEZERAN’
ANDRIAMANITRA:
LOZA SY ARETI-
MANDRINGANA
{« Ary nahare feo mahery avy
tao amin'ny tempoly aho
nanao tamin'ny
anjely fito hœ:
Mandehana, aidino
amin'ny tany ny ao
amin'ny lovia fito
feno ny
fahatezeran'Andriamanitra. »
(Apokalypsy 16:1)
« Ary ny voalohany nandeha,
dia nampidina ny tao an-
doviany tamin'ny tany; dia nisy
vay ratsy sady mampahory
tamin'ny olona izay nanana ny
mariky ny bibi-dia sy
niankohoka teo
anatrehan'ny
sariny. »
(Apokalypsy
16:2)
« Ary ny faharoa nampidina ny
tao an-doviany tamin'ny
ranomasina; dia nody rà tahaka
ny ran'ny olona maty ny
ranomasina: ary maty ny zava-
manan'aina rehetra tao
aminy. » (Apokalypsy 16:3)
« Ary ny fahatelo nampidina ny
tao an-doviany tamin'ny ony sy
ny loharano; dia nody rà
ireny. » (Apokalypsy 16:4)
« Ary nahare ny anjelin'ny rano
aho nanao hœ: Marina Hianao,
ilay ankehitriny sy taloha, dia
ny Iray Masina, satria efa
nitsara toy izany Hianao; »
(Apokalypsy 16:5)
« fa ny ran'ny olona masina sy
ny mpaminany no nalatsany,
ka dia rà kosa no nomenao
hosotromy; ary tandrifiny ho
azy irany. » (Apokalypsy 16:6)
« Ary reko ny alitara nanao hœ:
Eny, Tompo ô, Andriamanitra
Tsitoha, marina sy mahitsy ny
fitsaranao. » (Apokalypsy 16:7)
« Ary ny fahelatra nampidina
ny tao an-doviany tamin'ny
masoandro; dia nasaina
nandoro ny olona tamin'ny afo
izy. » (Apokalypsy 16:8)
« Ary main'ny hafanana be ny
olona, dia niteny ratsy* ny
anaran'Andriamanitra, Izay
manam-pahelana amin'ireny
loza ireny, izy sady tsy
nibebaka mba hanome
voninahitra Azy. [* Gr. nanao
blasfemia; izahao Mat. IX. 3] »
(Apokalypsy 16:9)
« Ary ny fahadimy nampidina
ny tao an-doviany tamin'ny
seza fiandrianan'ilay bibi-dia;
dia tonga maizina ny
fanjakany, ary ny olona
nitsakotsako ny lelany noho ny
fanaintainana, » (Apokalypsy
16:10) « dia niteny ratsy*
an'Andriamanitry ny lanitra izy
noho ny fanaintainany sy ny
vainy sady tsy nibebaka
tamin'ny asany. [* Gr. nanao
blasfemia; izahao Mat. IX. 3] »
(Apokalypsy 16:11) . …
HOFONGORANA
AVOKOA NY VETAVETA
SY NY TSY MARINA
Ny nofo aman-drà tsy handova
ny fanjakan’Andriamanitra
satria tsy manam-
mpahamasinana. Ny vetaveta
sy ny tsy marina dia
haringan’Andriamanitra
avokoa.
« Moa tsy fantatrareo va fa ny
olona tsy marina tsy mba
handova ny
fanjakan'Andriamanitra? Aza
mety hofitahina ianareo: fa ny
mpijangajanga sy ny
mpanompo sampy sy ny
mpaka vadin'olona sy ny
sodomita* [* Izahao
Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9)
« sy ny mpangalatra sy ny
mpierina sy ny mpimamo sy ny
mpanaratsy ary ny mpanao an-
keriny dia tsy mba handova ny
fanjakan'Andriamanitra. » (1
Korintiana 6:10)
« Fa miharihary ny asan'ny
nofo, dia izao: Fijangajangana,
fahalotoana, fijejojejoana, »
(Galatiana 5:19)
« fanompoan-
tsampy, fanaovana
ody ratsy,
fandrafiana,
fifandirana, adi-lahy,
fiafonafonana,
fifampiandaniana, fisarahana,
fitokoana, » (Galatiana 5:20)
« fialonana, fahamamoana,
filalaovan-dratsy, ary ny toy
izany, izay lazaiko aminareo
rahateo, tahaka ny voalazako
fahiny koa, fa izay manao izany
dia tsy handova ny
fanjakan'Andriamanitra. »
(Galatiana 5:21)
Apokalypsy 21, andininy
8 sy 27 sy Apokalypsy
22:15 koa dia milaza fa ny
tsy mino, ny mpijangajanga, ny
mpamono olona, ny
mpanompo sampy, ary ny
vetaveta dia tsy handova ny
fanjakan’Andriamanitra:
« Izay maharesy no handova
izany zavatra izany; ary ho
Andriamaniny Aho, ary izy ho
zanako. » (Apokalypsy 21:7)
NY VETAVETA SY NY TSY
MARINA DIA TSY
HIDITRA NY FANJAKAN’
ANDRIAMANITRA
Araka izany, ny Baiboly dia
milaza mazava fa tsy hiditra ny
fanjakan’Andriamanitra ny
vetaveta sy ny tsy marina:
« Moa tsy fantatrareo va fa ny
olona tsy marina tsy mba
handova ny fanjakan'
Andriamanitra? Aza mety
hofitahina ianareo: fa ny
mpijangajanga sy ny
mpanompo sampy sy ny
mpaka vadin'olona sy ny
sodomita* [* Izahao
Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9)
« sy ny mpangalatra sy ny
mpierina sy ny mpimamo sy ny
mpanaratsy ary ny mpanao an-
keriny dia tsy mba handova ny
fanjakan'Andriamanitra. » (1
Korintiana 6:10)
Lahy sy vavy no namoronan’
Andriamanitra ny olona. Ary
mananatra toy izao ny Soratra
Masina: « Aoka ny lahy hanao
izay mety hatao amin'ny vavy;
ary mba toy izany koa ny vavy
amin'ny lahy. » (1 Korintiana
7:3) « Ny vavy tsy manam-
pahefana amin'ny tenany, fa ny
lahy; ary mba toy izany koa ny
lahy tsy manam-pahefana
amin'ny tenany, fa ny vavy. » (1
Korintiana 7:4)
Ny fahavetavetana tao Sodoma
sy Gomora dia mavesatra
indrindra ary izany no
nahatonga an’Andriamanitra
handringana ny mponina tao.
« Aza mandry amin'ny
lehilahy tahaka ny fandry
amin'ny vehivavy; fa
fahavetavetana izany. »
(Levitikosy 18:22)
« Ary toy izany koa, Sodoma sy
Gomora mbamin'ny tanàna
nanodidina azy, izay
nijangajanga tahaka azy koa ka
lasa nanaraka nofo hafa, dia
aseho ho fananarana amin'ny
iaretany fijaliana amin'ny afo
maharitra mandrakizay. » (Joda
7)
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy
ny vetaveta sy ny mpamono
olona sy ny mpijangajanga sy
ny mpanao ody ratsy sy ny
mpanompo sampy ary ny
mpandainga rehetra dia
hanana ny anjarany ao
anatin'ny farihy mirehitra afo
sy solifara; izany no
fahafatesana faharoa. »
(Apokalypsy 21:8)
« Ary tsy mba hiditra ao
mihitsy izay tsy masina, na izay
manao vetaveta, na izay
mandainga, fa izay voasoratra
ao anatin'ny bokin'ny fiainana
izay an'ny Zanak'ondry ihany. »
(Apokalypsy 21:27)
« Fa any ivelany ny alika sy ny
mpanao ody ratsy sy ny
mpijangajanga sy ny
mpamono olona sy ny
mpanompo sampy ary izay
rehetra tia lainga sady
mandainga. » (Apokalypsy
22:15)
MIBEBAHA, MIVERENA
AMIN’I JEHOVAH, ARY
AOKA HATAO BATISA
« Ary hoy Petera taminy:
Mibebaha, ary aoka samy
hatao batisa amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy
ianareo rehetra mba hahazo
famelana ny helokareo; ary
ianareo handray ny
fanomezana, dia ny Fanahy
Masina; » (Asan'ny Apostoly
2:38)
« Koa mibebaha ianareo, ka
miverena hamonoana ny
fahotanareo, mba ho avy
izay andro
famelombelomana avy
amin'ny fanatrehan'ny
Tompo, » (Asan'ny Apostoly
3:19) « Izay* rehetra tiako no
anariko sy faizako; koa dia
mazotoa ianao, ka
mibebaha. [* Gr. Raha Izaho,
dia izay] » (Apokalypsy 3:19)
« [Izay mino sy atao batisa
no hovonjena; fa izay tsy
mety mino no hohelohina] »
(Marka 16:16) « Izay
maharesy dia hitafy lamba
fotsy tahaka ireo koa, ary tsy
hamono ny anarany eo
amin'ny bokin'ny fiainana
tokoa Aho, fa hanaiky ny
anarany eo anatrehan'ny
Raiko sy eo anatrehan'ny
anjeliny. » (Apokalypsy 3:5)
Lohahevitra mifandray:
Inona ny
fanjakan’Andriamanitra?
Inona ny Planin’ny Famonjena?
https://fiamiraygospel.blogspot.com/

Mais conteúdo relacionado

Mais de Fiangonan'Andriamanitra Miray

从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEFiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHFiangonan'Andriamanitra Miray
 

Mais de Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
 
Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
 

FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA

  • 2. Fahavetavetana, areti- mandringana sy loza ary ny Kapoaky ny Fahatezeran’ Andriamanitra FAMARITANA: Ny teny hoe “fahavetavetana” dia miverina in-117 ao amin’ny Baiboly. Raha faritana ny teny hoe “fahavetavetana” dia entina milaza fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary tsy tokony ho hita ety ambany masoandro akory. Ohatra amin’izany ny fihinanana biby sy hena maloto (Lev.11, Deot 14:3, Asa 15:20), ny fanompoan-tsampy (Deot. 7:25), ny lainga (Oha. 11:1), ny
  • 3. hevi-dratsy (Oha. 15:26) , ny fiavonavonana (Oha. 16:5), ny fitafy tsy sahaza (Deot. 22:5) , ny fanamarinana ny meloka na ny fanamelohana ny marina (Ezek. 18:24), ny fijangajangana (Lev. 19:29), sy ny fanaovana izay rehetra tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisan’ny olona (Oha. 6, Lev. 18). Ny Lev.18 dia milaza karazana fahavetavetana maro eo amin’ny fifandraisan’ny olona amin’ny manodidina azy, ary voararan’i Jehovah izany rehetra izany, satria tena fahavetaveana ary izany karazana fanambadiana izany dia tsy mampisy hasina ny fanambadiana. Halan’i Jehovah ny fahavetavetana; ary firenena maro no efa naringany noho
  • 4. ny fahavetavetan’ny mponina ao aminy. Ny Bokin'ny Mpanjaka sy ny Tantara dia milaza ny nandringanana ireo firenena manao fahavetavetana.  1 Mpanjaka 14:24 (fahavetavetana sy fijangajangana amin’ny ankapobeny);  2 Mpanjaka 16: 3 (fahafoizan-jaza);  2 Mpanjaka 21: 2 sy 2 Mpanjaka 21:11 (fanompoan- tsampy);  2 Tan. 28: 3 (fahafoizan-jaza);  2 Tan. 33: 2 (fanompoan- tsampy);  2 Tan. 34:33, 36: 8, ary 36:14 (ankapobeny). (Ezra 9: 1, 9:11, ary 9:14)
  • 5. Amin'izany toe-javatra rehetra izany, ny “fahavetavetana” dia manondro fitondrantena sy fomba mamoafady vahiny, izay nataon'ny Isiraely sy ny mpanjaka israelita, ka mahameloka azy ireo eo imason’i Jehovah sy ny tany aman-danitra. Ary toy izany koa, ny teny hoe “fahavetavetana” dia entina hilazana ny fanompoan- tsampy (Ezek. 5:11, 6: 9, 6:11, 7:20, 14: 6, 20: 7-8, 22 : 2, 44: 6- 7, 44:13), fanamparan-kery (Ezek. 18:13), fanandratan-tena sy avonavona (Ezek. 16: 47-50; ny "Fahotan'i Sodoma") , ny fanitsakitsaham-bady (Hebreo 22:11, 33:26), ary ny herisetra (Ezek. 33:26), ary koa fehezan- teny ankapobeny momba ny fanaon'ny olona hafa firenena (Ezek. 16:51) na fandikan- dalàna ( Ezek. 5: 9, 7: 3-4, 7: 8- 9, 9: 4, 11:18, 11:21, 12:16, 16: 2, 16:43, 18:24, 20: 4, 33:29, 36:31).
  • 6. Ezekiela koa dia nilaza fa fahavetavetana ny fanompoan- tsampy sy "fijangajangana" (Ezek 16:22, 16:36, 16:58, 23:26, 43: 8). FAHAVETAVETANA NY FIFANAMBADIAN’NY OLONA MITOVY FANANAHANA .Amin’izao vanim-potoana izao dia maro no mirona amin’ny firaisana sy fanambadian’ny olona mitovy fananahana. Ary dia miezaka mihitsy izy ireo olona izay atao hoe sarimbavy sy sarindahy, lesbiana, gay, ary ny toa azy ireny, mivondrona ho amin’ny fikambanana iray, miady ny zony sy fahafahany haneho
  • 7. malalaka izany fihetsika sy fomba “sodomita” izany. Nefa kosa, eo anivon’ny fiaraha-monina mandala ny fomba nentim-paharazana sy matahotra an’Andriamanitra, dia hita miharihary fa fomba mamoafady ary tena tsy fampiseho masoandro mihitsy ny firaisana na ny fifanambadian’ny lahy sy ny lahy, sy ny firaisana na fifanambadian’ny vehivavy amin’ny vehivavy. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitra izany. Ny LEVITIKOSY 18 dia mampiseho ireo karazana fahavetavetana sy fomba mamoafady isankarazany, izay tsy tokony hatao na oviana na oviana mba hahamasinana ny fanambadiana. Anisan’ireny fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny fandrian'ny lehilahy amin'ny lehilahy, ary koa ny
  • 8. fandrian’ny vehivavy amin'ny vehivavy. Izao no voalazan’ny Baiboly: « Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22) Firenena masina ho an’i Jehovah ny zanak’Isiraely, ary isika ankehitriny koa, izay zanak’Isiraely ara-panahy, sady zanak’Andriamanitra koa, dia nomena izany toromarika izany, mba tsy hanao izay rehetra atao hoe fahavetavetana eo imason’i Jehovah, mba tsy handringanany sy hamongorany azy:
  • 9. Mazava tsara ny Levitikosy 18: 26-30: « Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo » (Levitikosy 18:26)« (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany), » (Levitikosy 18:27)« mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. » (Levitikosy 18:28)« Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Levitikosy 18:29)« Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza
  • 10. mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 18:30) Mbola naverin’i Jehovah indray ny lalàna momba ny fitondrantena sy fanambadiana ao amin’ny Levitikosy 20, ary anisan’ny nohamafisiny ny FANDRARANA ny firaisana ara- nofo eo amin’ny samy lehilahy. Ary toy izao koa ny voalazan’i Joda: « Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. » (Joda 6) « Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny
  • 11. iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7) JEHOVAH DIA HAMELY NY TSY MARINA AMIN’NY ARETI- MANDRINGANA SY LOZA « Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? » (Nomery 14:11) « Hamely azy amin'ny areti- mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao
  • 12. anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. » Deoteronomia 28:1-14 dia miresaka momba ny fitahiana homena ireo mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny lalàna. Nefa, manomboka amin’ny andininy 15, Deoteronomia dia mitanisa ny ozona handringana izay rehetra tsy mitandrina ny didin’i Jehovah fa mandika lalàna. « Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao : » (Deotoronomia 28:15) « Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro
  • 13. sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy. » (Deotoronomia 28:20) « Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. » (Deotoronomia 28:21) « Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hœ: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO, » (Deotoronomia 28:58) « dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady
  • 14. maharitra ela. » (Deotoronomia 28:59) « Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny. » (Deotoronomia 28:60) « Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao. » (Deotoronomia 28:61) « Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanar eo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao. » (Deotoronomia 28:62)
  • 15. HAIDINA AMIN’NY TANY NY LOVIA FENO NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA: LOZA SY ARETI- MANDRINGANA {« Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hœ: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apokalypsy 16:1) « Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an- doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apokalypsy 16:2)
  • 16. « Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava- manan'aina rehetra tao aminy. » (Apokalypsy 16:3) « Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. » (Apokalypsy 16:4) « Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hœ: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; » (Apokalypsy 16:5) « fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. » (Apokalypsy 16:6) « Ary reko ny alitara nanao hœ: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao. » (Apokalypsy 16:7) « Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny
  • 17. masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy. » (Apokalypsy 16:8) « Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy* ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. [* Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] » (Apokalypsy 16:9) « Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana, » (Apokalypsy 16:10) « dia niteny ratsy* an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany. [* Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] » (Apokalypsy 16:11) . …
  • 18. HOFONGORANA AVOKOA NY VETAVETA SY NY TSY MARINA Ny nofo aman-drà tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra satria tsy manam- mpahamasinana. Ny vetaveta sy ny tsy marina dia haringan’Andriamanitra avokoa. « Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an- keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)
  • 19. « Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Galatiana 5:19) « fanompoan- tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Galatiana 5:20) « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (Galatiana 5:21) Apokalypsy 21, andininy 8 sy 27 sy Apokalypsy 22:15 koa dia milaza fa ny tsy mino, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, ary ny vetaveta dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra:
  • 20. « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. » (Apokalypsy 21:7) NY VETAVETA SY NY TSY MARINA DIA TSY HIDITRA NY FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA Araka izany, ny Baiboly dia milaza mazava fa tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra ny vetaveta sy ny tsy marina: « Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny
  • 21. mpanaratsy ary ny mpanao an- keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10) Lahy sy vavy no namoronan’ Andriamanitra ny olona. Ary mananatra toy izao ny Soratra Masina: « Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. » (1 Korintiana 7:3) « Ny vavy tsy manam- pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. » (1 Korintiana 7:4) Ny fahavetavetana tao Sodoma sy Gomora dia mavesatra indrindra ary izany no nahatonga an’Andriamanitra handringana ny mponina tao. « Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22)
  • 22. « Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7) « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
  • 23. « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27) « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)
  • 24. MIBEBAHA, MIVERENA AMIN’I JEHOVAH, ARY AOKA HATAO BATISA « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38) « Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, » (Asan'ny Apostoly 3:19) « Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka
  • 25. mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apokalypsy 3:19) « [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16) « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. » (Apokalypsy 3:5) Lohahevitra mifandray: Inona ny fanjakan’Andriamanitra? Inona ny Planin’ny Famonjena? https://fiamiraygospel.blogspot.com/