Beginners Guide to TikTok for Search - Rachel Pearson - We are Tilt __ Bright...
Exemple de titre pdf
1. 30/01/12 Laharana 56 - Ho Taom-pahasoavana ! | FI.MPI.MA
Laharana 56 - Ho Taom-pahasoavana !
"Sambasamba Andriamanitra Andriananahary,
ho arivo tratry ny tao-mitsingerina anie isika mianakavy"
Araka izany amin'ny fo feno haravoana no hiarahabanay ny Mpikambana FI.MPI.MA. rehetra na ny eto an-
toerana na ny any an-dafin-drano, nahatratra izao asaramanitra izao.
Hitombo hery anie ny isam-batan'olona ka hahatontosa am-pahamendrehana ireo adidy iantsorohany.
Hitombo hasina koa ny Fikambanantsika ka sady hisandrahaka no hanome aina vao ny fiarahamonina.
Rariana ho taom-pahasoavana hatrany ny taona izay diavina ka hibosesika eo amin'ny fiainantsika ny
fahasalamana, fanambinana, fahombiazana, andro lava hanaovan-tsoa, fa ireny mitambatra no
FAHASOAVANA. Inoana sy antenaina fa ho tonga ilay amboaram-pandresena entintsika handravahana ny
faha 50 taonan'ny FI.MPI.MA., indray mandingana monja aorian'izao.
Vina temerin-drary izany, saingy "tsy vitam-bava toa tranom-pody". Mitaky taolam-baky, herin-tsaina,
herim-po avy amin' ny tsirairay ny fanatanterahana azy. Koa entanina ny isan-tsehatra mba hanao zava-
dehibe ny fanomanana izany taon-jaobily izany. Efa nisy lamina napetraka mahakasika izany. Efa
natsangana rahateo ny vaomieran'ny fankalazana, ivondronan'ireo mpikambana ao amin'ny birao foibe,
solontena iray isam-paritany.
"Ny mampatsiahy tsy mandodona, hoy iika, ary ny mamerin-teny tsy mamoritra", koa tiana ny manantitra
fa vanim-potoana manan-tantara eo amin'ny fiainan'ny Fikambanana izany jaobily faha 50 taona izany, efa
hiomana dieny izao isika. Ny tantara no hitsara, ny lasa tsy miverina, koa anjarantsika no mametraka
fahatsiarovana mamy, hotarafin'ireo zandry, zanaka rehetra, hanjarian'izany ho vaingan-kery hiatrehan'izy
ireo (miaraka amintsika) ny 50 taona manaraka indray.
Veloma aina, soava tsarà
Hiombom-po amin'ny FI.MPI.MA.
Ity taona vaovao ity anie :
"ho taom-pahasoavana,
Ka hifanongoavan’
Ny fy sy ny fitiavana,
ho rakotra finiavana.
Dia hivaingana ny asa,
ho to izay nokasaina.
K’izay milofo sy miezaka,
ho lavitra taraina"
Ny Filohan'ny Foibem-pirenen'ny Fikambanan'ny Mpikabary eto Madagasikara
ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala
Jereo eto ny akon-gazety
To Top
www.kabary-fimpima.org/akon-kabary/detail/article/ho-taom-pahasoavana/ 1/1